
Any ivelany izany faritra arovana izany dia tena misy olona manokana izay miandraikitra ny fikolokoloana sy fiambenana azy. Miaramila mitam-basy mihitsy aza matetika no miambina izany ary tsy azo hidiran’ny olona tsy amin’antony. Eto amintsika indray dia toa ao indray no lasa fihotazana harena. Porofon’izany, nandritry ny fidinana fitsirihina nataon’ny sampan-draharaham-panjakana miaro ny tontolo iainana tany Atsinanana, hetsika izay niarahana tamin’ny zandary, dia tsikaritra ny fahapotehan’ny tandavanala Zahamena-Ankeniheny. Tsy ny ala ihany fa ny biby koa dia isan’ny lasibatra. Misy mihaza ny varika ary misy mandoro ny tantely. Olona valo no voasambotra tao anatin’ny fidinana an-tsehatra. « Miteraka fahapotehana amin’ity tandavanala ity ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ataon’ireo olona ireo satria sady mampiasa afo izy ireo entiny hanadiovana ny tany izay hamboleny rongony avy eo. Aorian’ny fanadihadiana dia atolotra ny fitsarana izy ireo », raha araka ny fampitam-baovao izay manazava ny anton’ny fisamborana. Raha oharina amin’ity tranga ity dia hita ao anatin’ireny faritra arovana ireny izany ny tsy fanarahan-dalàna isan-karazany mahakasika ny fiarovana ny tontolo iainana. Ao no alaina ny biby efa ho lany tamingana, ao koa no hambolena ny rongony ary mbola ao koa ny fitrandrana vato sarobidy isan-karazany. Tsiahivina fa mbola henatra lehibe amin’ny firenena hatreto ny fisian’ireo biby arovana izay nisy nanondrana ka hita tany Thailande. Ny firaisamonim-pirenena dia nangataka ny hisian’ny fanadihadiana lalina mba hahafantarana izay tao ambadiky ny raharaha, izany hoe ny tena atidoha nikotrika. Ny fihazàna ny biby mety ho vitan’ny olon-tsotra ihany fa ny famoahana azy eto amin’ny sisin-tany dia mazava mantsy fa tsy maintsy misy tambajotra miasa ary eo indrindra no tena tokony hiompanan’ny fanadihadiana mba hisamborana ny “trondro maventy” fa tsy hionona fotsiny amin’ireo tambanivolo kely izay natao kalana. Arahin’izao tontolo izao maso ny raharaha toa itony satria heloka bevava eo amin’ny tontolo iainana.
D.R
Aza malahelo isika fa ilay Fahantrana atao am-betin- dresaka dia ho mahery vaika kokoa atsy ho atsy noho ny ataon’ ny Tsy Misy Saina sy Bado velona.
Ny rehetra no miara-mizaka, Indrisy !
Ny antsoina hoe : mpitandro filaminana dia toa Anarana sy Fofony fa sady tsy hita no tsy azo ampiasiana.
Aiza ‘lay hoe :Tanindrazana sy Lalàna ?