- Publicité SW45 -
dimanche, mai 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRN4 :  Misy mitoraka famaky

RN4 :  Misy mitoraka famaky

Raikitra indray ny fanakanan-dalana eny amin’ny lalam-pirenena fahefatra. Fiara tsy mataho-dalana iray avy any Mahajanga hihazo an’andrenivohitra no nosakanan’ny enin-dahy mirongo famaky. Tena vonona ny hamono ireo na dia fandrobana aza no tanjony. Porofon’izany, avy hatrany dia nitoraka tamin’ny famaky an’ilay fiara izy ireo ary nifatratra teny amin’ny fitaratra izany. Tsy nijanona ny fiara ary soa ihany fa nahay nirifatra fa raha tsy izany dia mety ho loza tanteraka no nihatra tamin’ity fianakaviana kely tao anatiny. Raha araka ny fanamarihana dia teo anelanelan’Andranofasika sy Tsaramandroso no nitranga ilay fanafihana. Mila mitandrina be indray izany ny mpampiasa lalana rehefa mandeha amin’ny RN4, indrindra raha vao mody ny masoandro.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici