- Publicité -
dimanche, septembre 6, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMisy terorista eto Tana : Nisy iray voasambotry ny zandary

Misy terorista eto Tana : Nisy iray voasambotry ny zandary

Ahiana ho misy hifandraisany amin’ny asa fampihorohoroana nitranga tany Parisy ny 13 novambra lasa teo ity rangahy voasambotra ity. Nahitàna porofo mahakasika an’izany rahateo ny atotan-taratasy nomerika tao an-tranony. Raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro ny filaminana dia mifandray matetika amin’ny mpampihorohoro izy ity ary efa narahin’ny fitondrana frantsay maso rahateo. Isan’ireo olona nampiahiahy arak’izany ary tao anatin’ny fifandrimbonana iraisam-pirenenan’ny mpitandro ny filaminana na “Interpol” no nivoahan’ny anarany. Voamarin’ny mpanao fanadihadiana Malagasy ny fipetrahany teto an-drenivohitra. Natao ny fisamborana azy ary natao ihany koa ny fisavàna ny tranony dia io nahitàna porofo ahiana misy hifandraisany amin’ny mpampihorohoro io. Tazomina ary hatao fanadihadiana ao amin’ny biraon’ny zandary eto an-drenivohitra io Djihadiste io efa ho andro vitsivitsy izay.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici