- Publicité SW45 -
lundi, mai 20, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-Divers“Pédophilie” : Misy vidéo miparitaka

“Pédophilie” : Misy vidéo miparitaka

Haingana dia nitety ny mpampiasa tambajotra sosialy ilay horonan-tsarimihetsika. Rangahy lehibe manodidina ny 50 taona no mikitika zaza tsy ampy taona samihafa. Tsy vitan’izany fa olona akaiky mpanao politika ilay rangahy ary vao mainka nahazo vahana ny afo teo anivon’ny facebook omaly. Ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe ho lasa lavitra ve ny fanadihadiana momba ity fanararaotana zaza tsy ampy taona izay lasa ampahibemaso rehefa niparitaka ny horonan-tsary. Sa kosa ho sarontsaron’ny “intervention” indray. Na inona na inona mety ho antony, na mety ho fanapotehana ara-pôlitika na tsia, ny porofo dia efa mitohoka amin’ny tenda momba ny fikasihana ireo zaza tsy ampy taona izay indrindra koa ao anaty birao. Etsy ankilan’izany, azo inoana fa olona akaiky azy ihany no nanao ny fiandraiketana an-tsarimihetsika ny zava-nitranga rehetra. Fa inona ny zava-nisy no nivadika, raha tena ho izay tokoa? Any amin’ity raharaha ity indray ny mason’ny mpanara-baovao.  

D.R

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici