- Publicité -
mardi, juin 17, 2025
AccueilFaits-DiversKaominin’i Toamasina renivohitra : Mitohy hatrany ny fanokafana lalam-pasika

Kaominin’i Toamasina renivohitra : Mitohy hatrany ny fanokafana lalam-pasika

Tsy maintsy irosoana ny fandravana ireo trano tsy ara-dalana

Efa fampanantenan’ny ben’ny Tanana Atoa Andriafanomezantsoa Alain sy ny ekipany ny fanokafana ireo lalam-pasika eto Toamasina, mba hanamora ny fidiran’ny sampana mpamonjy voina sy haitrano eto Toamasina raha misy ny loza mitranga. Fantatra eny Tanamakoa indray izy ireo ankehitriny, raha efa vita ny tao Andranomadio sy ny manodidina, ka hita nandritra ny fidinana ifotony nataon’ny ben’ny Tanana momba ity fanofan-dalana ity dia misy ireo trano efa ara-dalana ara-“bornage” fa mbola mangalatra toerana ihany. Vokany maro ireo trano sy fefy voatery noravana tao anatin’ny fidinana ifotony izao, izay tsy hananan-kavana araka ny fanazavana. Izay tsy manara-dalana dia tsy maintsy ravana mba ho tombontsoan’ny be sy ny maro. Mandritra izao fidinana ifotony ataon’ny ben’ny Tanana izao koa no hihainoany ny fitarainan’ireo vahoaka aminy, ka andraisana fepetra avy hatrany raha fantatra ny fahamarinany. Nomarihan’ny ben’ny Tanana hatrany fa misy ny fampahafantarana atao mialoha alohan’ny hidinana ifotony izao, ka samy tokony handray ny andraikiny ny rehetra ao anatin’izany raha tsy te-hisy ny fandravana ataon’ny kaominina sy ny ekipany, satria tsy hananan-kavana ny fandravana izay mitranga noho ny tsy fanarahan-dalana. Mbola ao fokontany Tanamakoa ireo ekipan’ny kaominina amin’ny fanokanan-dalana, fa mbola ho avy koa ny fokontany hafa aorian’izany, arakaraka ny fangatahan’ny filoham-pokontany sy ny fandaharan’ny kaominina amin’ny fidinana ifotony.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici