Ho fampandrosoana sy fitsinjovana ny vahoaka. Tsy mikely soroka ny Ben’ny tanànan’ny Kaominina ambanivohitra Mitsinjo Betanimena, Atoa Larry Robert Mera Louis. Ny talata teo, napetraka ny vato fototra amin’ny fanombohan’ny asa ho fisitrahan’ny mponina rano fisotro madio ara-pahasalamana, ka « bornes fontaines » 41 (21 avy amin’ny PIC, 20 avy amin’ny WAS UP) no hapetraka amin’ny Fokontany folo. Nanomboka ny 20 janoary 2020 nitantanan’ ingahy Ben’ny tanàna ny Kaominina, fotodrafitrasa maro no efa vita, ka anisan’izany fametrahana jiro manazava ny tanàna, ny fahavitan’ny lalan-tany mirefy 4 km. Teo ihany koa ny fangadihana sy ny fanadiovana an’ireo tabika (canal) mirefy 10 km izay tototry ny fasika, ka nahafaly an’ ireo tantsaha mpamboly sy mpiompy. Ny taon-dasa iny, na dia tao anatin’ny valanaretina Covid-19, tafiakatra 197 tapitrisa ariary ny « compte administratif » tao amin’ny Kaominina, raha 97 tapitrisa ariary izany ny taona 2019 tamin’ny mpitantana teo aloha. Noho ny fisian’ny fitantanana mangaraharaha amin’ny vola miditra ao amin’ny Kaominina, voaloa ara-dalana isam-bolana ny karaman’ny mpiasa mitentina 8 tapitrisa ariary. Toy izany ihany koa ny an’ireo mpanolotsaina Kaominaly. Ary, tombony lehibe mampidim-bola ho an’ity Kaominina ity ny fisian’ny orinasa dimy lehibe, ka ny telo amin’ireo mpanamboatra savony, ny roa kidoro « éponge », ary ny famokarana voly fanondrana toy ny hasy 30 taonina isan-taona, kabaro 20 t. Niangaran’ny fitondram-panjakana manonkana ity Kaominina ambanivohitra iray ity, satria fotodrafitrasa maro no vita any an-toerana, toy ny lisea manara-penitra vaovao. Haorina amin’ity taona ity ihany koa ny Ceg manara-penitra vaovao sy ny biraon’ny Sampan-draharahan’ny Fananan-tany sy ny Fandrefesan-tany, izay sambany hisy tany amin’ny Distrikan’i Toliara II. Ny volana novembra ho avy izao kosa no hanomboka ny asa fanamboarana ho tara (Pic III) ny lalana mirefy 2 km, miainga eo amin’ny sampanan’ny Andaboly ka hatreny amin’ny hopitaly manara-penitra. Olana saro-bahana mampitaraina ny maro any an-toerana, ka hanahirana ny ny sain’ny tompon’andraikitra mahefa, ny fibodoan’olom-bitsy sy ireo mpanambola ny tanim-panajakana (titré, borné), toy ny tanin’ny Fofifa, . . .
Eric Nahoda