- Publicité SW45 -
samedi, avril 20, 2024
AccueilFaits-DiversMitsinjo : Efadahy nanafika mpandraharaha, nokapainy famaky ny lohany, nodidiany « lame...

Mitsinjo : Efadahy nanafika mpandraharaha, nokapainy famaky ny lohany, nodidiany « lame » ny vatany

Nisehoana fanafihan-jiolahy tany amin’ny tanàna antsoina hoe Antsakoamanera, any amin’ny disitirikan’i Mitsinjo, Faritra Boeny, tamin’ny faha-6 martsa lasa teo. Voalaza fa nahery vaika tokoa ity fanafihana indray mandeha ity. Mpandraharaha tao an-tanàna no lasibatra tamin’izany. Nokapain’ireo olon-dratsy tamin’ny famaky ny lohan’ilay lehilahy, avy eo nodidiany tamin’ny « lame » ny vatany. Kapa famaky efatra no hita teny amin’ny lohany ary nihevitra ireo mpandroba fa maty izy. Raha vao fantatra moa ny vaovao dia natao izay nitondrana ilay olona naratra tany Mahajanga. Rehefa nahazo fitsaboana moa izy dia manomboka efa mahatsiaro tena amin’izao fotoana izao. Be dia be ny vola lasan’ireo jiolahy niampy ny firavaka volamena an’ny vadiny sy ny « crédit ».

Ity tanàna voalaza ity dia toerana niavian’ny solombavambahoaka voafidy tao Mitsinjo, Atoa Alidy Bin Soufou. Ao amin’io tanàna io rahateo no monina ny ray aman-dreniny sy ny havany rehetra. Raha vao nahare ny fandehan-javatra moa izy dia nanao izay rehetra azo natao. Ankoatra izany, nisy ny fiaraha-miasa teo amin’ny zandary tany an-toerana sy ny fokonolona. Nahitana vokany izany satria tratra tao amin’ny fokontany Ampitsopitsoky, ao amin’ny kaominina Matsakabanja, ireto efadahy nahavanona ny loza. Tratra tany aminy koa ny basy Kalaky sy bala, PA iray ary fanamiana fitondran’ny zandary. Manoloana izao tranga izao dia velom-pisaorana ireo fokonolona any an-toerana, ny zandary manontolo ny solombavambahoaka. Nisy marina tokoa ny firaisan-kina nentina nanenjika ireo olon-dratsy. Samy tonga tany Antsakoamanera avokoa ny rehetra nanenjika ireo mpamono olona. Ny vaovao voaray hatrany moa no hilazana fa tsy vao sambany no nisy fanafihan-jiolahy mahery vaika tany amin’iny faritra iny fa efa imbetsaka tokoa. Teo ilay nahaverezana vola 41 tapitrisa ariary tany amin’ny « carrière » Antseza. Tsy hadinon’ny mponina koa ny fanafihana mpivady izay nahafaty ilay rangahy tao Bevatry. Tsy lazaina intsony ny halatra omby saika isan’andro. Koa maneho ny fisaorana eram-po eran-tsaina ny fianakaviam-ben’ny zandary ao amin’ny distrikan’i Mitsinjo ity solombavam-bahoaka ity, indrindra ny OFCORD Atoa Antilahy Vomana sy ny lefiny Atoa Rajabaly ary  ny Komandin’ny Brigady ao Mitsinjo.

Matoky anefa ity solombavambahoaka ity fa hanao ny asany am-pahamarinana ny Fitsaràna ao Mahajanga ka  hihatra amin’izy ireto ny sazy sahaza azy efatra nahavita an’izao habibiana izao ary mba handefasana “mandat d’arrêt” koa ireo izay mpiray tsikombakomba amin-dry zareo. Tamin’ny fanadihadiana ireo jiolahy, niaiky izy ireo fa maro tamin’ireo fanafihana mitam-piadiana tany an-toerana no nandraisany anjara. Efa any Mahajanga izy ireo miandry ny fitsarana azy.

nangonin’i r.s.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici