- Publicité -
dimanche, mai 18, 2025
AccueilFaits-DiversMitsinjo : Nodoran'ny jiolahy teo am-bavahady ilay lehilahy norobainy

Mitsinjo : Nodoran’ny jiolahy teo am-bavahady ilay lehilahy norobainy

Lehilahy iray avy nivarotra no may nodoran’ny jiolahy teo amin’ny vavahadin’ny tranony ka naratra vokatr’izany. Tao amin’ny fokontany Mantsakambanja, kaominina Namakia, Disitrikan’ i Mitsinjo, faritra Boeny no nisehoan’izany, ny alahady lasa teo tokony ho tamin’ny 2 ora sy fahefany maraina. Araka ny fanazavana voaray avy tamin’ny mpitandro ny filaminana, nandrasan’ny jiolahy telo teo am-bavahadiny izy io, tsy vitan’izany fa mbola nodoran’izy ireo koa. Niaro azy tamin’izany ny mpiambina, ka voadaroka ihany koa. Samy naratra ireto olona roa ireto ary nalefa notsaboina any amin’ny hopitaly Mitsinjo, ary mbola manaraka fitsaboan’ny dokotera hatramin’izao. Nidina tany an-toerana ny Zandary. Tsy nisy ny zavatra very ary hita teny an-toerana ny basy poleta kalibra 12 vita gasy, niaraka tamin’ny balana basim-borona telo, taorian’ny fidinan’ny zandary avy ao amin’ny Borigadin’i Namakia.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici