- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanàna an-tapon-tanàna : Miverina mamely ny mponina ny Delestazy

Maevatanàna an-tapon-tanàna : Miverina mamely ny mponina ny Delestazy

Tsy atoandro sy alina no ainany ny mponina fahapan-jiro lavareny hoan’i Maevatanàna an-tapon-tanàna vokatry ny ataony orinasa  » Jirama sy Firts Energy Ambalaranokely. » Jiro tsy mandeha taefaonina tapaka, araka voalazany ambetin-kirany tarika Rebika izay, ny zava-misy lalovan’ireo vahoaka eto amin’ny renivohim-paritra Betsiboka no tsy an-kitsitsy sy tsy ahitana fandrenesana avy amin’ireo mpanaparitaka herinaratra voalaza etsy ambony, fa jiro tapaka manimba fitaovana ampiasaina mifanaraka amin’izany no hita sy re ny olona ao an-trano. Efa am-bolana maroa tamin’ny taon-dasa sy hatraty amin’ny taona vaovao no hita sy voaporofo ny fisian’ny  » Delestazy » aty an-toerana no mbola tsy nandrenesam-peo ny olana misy ry zareo mpiasany orinasa mamatsy famatsiana jiro hoan’ny mpanjifa. Rehefa tonga kosa ny amin’ny enina ora hariva dia mihaina amin’ny labozia sy jiro gasy amin’ny kapoaka ny an-kamaron’ny mponina, ary any 11 ora alina vao miverina izany no tapaka indray amin’ny 04 ora sy sasany maraina, ka amin’ny folo ora maraina vao miverina manadeha. Ny vaky trano etsy an-daniny manomboka miseho manoloana ny fahatapan-jiro misy an-kehitriny. Noho izany dia manao antso avo amin’ny mpitondra ambony mba hisian’ny vaholana maharitra amin’izao Delestazy izao ny vahoaka fa mikolay.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici