- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-Divers« Mobilebanking » : Misy voasoloky an-tapitrisany indray, olona iray karohina

« Mobilebanking » : Misy voasoloky an-tapitrisany indray, olona iray karohina

0326336958 ny laharan’ilay mpisoloky ary maty avy hatrany ilay finday raha vao vita ny asaratsiny (sary nomena)

Faran’izay tsotra ny fomba fanaon’ireo mpisoloky kanefa mbola mahomby ihany koa izany na dia efa betsaka aza ny fampitandremana nandeha. Miantso ny olona iray izay fantany anarana sy fantany laharana finday izy. Milaza ho mpiasan’ny orinasam-pifandraisana ary miresaka momba ny kaonty « mobilebanking » eo aloha izy. Rehefa mandeha ny resaka dia milaza izy fa misy vola izay tonga ao amin’ilay kaonty. Tamin’ity indray mitoraka ity dia mitentina 42 tapitrisa ariary izany. Talanjona ny olona nantsoiny ary tsy vitan’izany fa mbola hainy ny mandresy lahatra tanteraka ny amin’ny hoe tsy misy vola halatra akory. « An’ny Sinoa iray izay niala teto Madagasikara ny vola ary nalefany tamin’ny kaontinao. Izy efa lasa ary tsy misy fantany intsony ny amin’io », raha araka ny fanazavan’ny voasoloky, izany hoe ny tatitry ny resaka nifaovany an-telefaonina tamin’ny mpisoloky azy. Ny mahatalanjona dia fantatr’ilay olon-dratsy avokoa ny momba ny kaonty ary na ny vola ao anatiny aza. Mbola nandefasany sms koa aza nanamarina izany ary koa ny tsy vitan’izay fa mbola nohamarininy tamin’ny sms hafa ny momba ilay vola izay tonga ao amin’ny kaonty (42 tapitrisa ariary). Rehefa roboka ary ny tompon’ny kaonty dia naroson’ilay mpisoloky amin’izay ny fifanarahana mba hahazoana ny vola faran’izay haingana. Isan’izany ny hoe zaraina roa ny vola rehefa azo ary izy ihany no manao ny paipaika rehetra hahazoana izany. Manarak’izany, ny saran’ny fangalàna ny vola izay mitentina 1,2 tapitrisa ariary kosa dia alohan’ny tompon’ny kaonty. Roboka tokoa ny olona satria mieritreritry ny hahazo ny efapolo tapitrisa ariary mahery ao anatin’ny fotoana fohy. Nalefa ny saran’ny fisintomana ny vola. Mbola ilay mpisoloky ihany hatreo no mibaiko ny fomba fanaovana an’izany dia ny « code » sy ny pitsony ara-teknika rehetra. Vao lasa ny vola dia maty amin’izay ilay laharana finday nifampiantsoana. Teo vao tonga saina ny olona fa voasoloky. Efa nipetraka eny amin’ny zandary etsy Betongolo ny fitoriana ary mandeha ny fikarohana ilay olon-dratsy amin’izao fotoana izao.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici