- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMorafenobe : Karana vavy iray nafatotra sy naboridana hita faty tao an-tranony

Morafenobe : Karana vavy iray nafatotra sy naboridana hita faty tao an-tranony

Saika isan’andro ahenoana vono olona sy fanafihana mitam-piadiana ary asan-jiolahy sy fandrobana ataon’ny dahalo amina faritra maro ankehitriny, ka anisan’izany ny any amin’ny Faritra Melaky. Tamin’ny alin’ny alahady lasa teo tany Morafenobe dia olona roa no nisy namono tany an-toerana ka vehivavy ny iray. Ity farany izay hita faty nihosin-drà tao an-tranony nofatoran’ireo jiolahy tongotra aman-tanany. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa karàna vavy iray ity niharan’ny herisetra ity. Notsentsenana lamba ny vavany. Efa niboridana tanteraka izy io ary araka ny fanampim-baovao dia toa hoe naolana ity ramatoa ity. Ny zavatra nahavariana ny mpanara-baovao, tsy nisy zavatra very tao an-trano. Ny finday ihany no voalaza fa nentin’ireo olon-dratsy. Nisy vola antapitrisa tao, maherin’ny 10 tapitrisa sy firavaka volamena saingy tsy nalain’ireo olon-dratsy. Valifaty sa fialonana sa asan-jiolahy tsotra izao ? Ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana ihany no afaka mamaly an’ireo fanontaniana.

Lehilahy iray notetehina tamin’ny famaky. Raim-pianakaviana monina eny amin’ny tanimbary manodidina Morafenobe kosa no lasibatr’ireo jiolahy faharoa. Nodoran’ireo tsy mahataho-tody ny tranony rehefa avy notetehin’ireo olon-dratsy tamin’ny antsibe izy, araka ny loharanom-baovao voaray hatrany. Manoloana ny tsy fandriampahalemana mahazo laka any amin’ny Faritra Melaky tato ho ato, dia manao antso avo amin’ny fitondrana mahefa ny vahoaka sy ny tompon’andraiki-panjakana any an-toerana mba hampitomboana ny isan’ny mpitandro filaminana (zandary, polisy, miaramila) miasa any an-toerana.

 Eric Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici