- Publicité -
mardi, mai 20, 2025
AccueilFaits-DiversMorafenobe : Mpianaka nentin’ny dahalo natao takalonaina

Morafenobe : Mpianaka nentin’ny dahalo natao takalonaina

Nentina nanakanana sy nampitahoran’ireo mponina mba tsy hanara-dia azy ireo, dia naka an-keriny olona roa, mpianaka ireo dahalo, rehefa avy nanafika tao Mahavelona, fokontany Ampoza Beravina, distrika Morafenobe, ny faran’ny herinandro teo. Tsy nahomby anefa ny tetik’izy ireo. Omby  telo, fitafiana, lamba ary firavaka sarobidy isan-karazany, niampy vola mitetina eo amin’ny enina hetsy ariary teo ho eo no lasan’ireo dahalo nandritra ny fanafihana nataon’izy ireo, tao amin’io tanàna voalaza etsy ambony. « Ny tena loza anefa, dia naka takalonaina roa izy ireo hampihorohoroana sy hanakanana ireo mpanaradia » hoy ny vaovao. Nandritra ny fanafihana anefa, dia efa nampilaza sy nandefa fanaraina tany amin’ny lehiben’ny zana-tobim-paritry ny zandary tao Ankalalo ireo fokonolona. Nidina avy hatrany tany an-toerana ireto farany, ary niezaka nitarika ireo fokonolona amin’ny fanarahan-dia. Tetsy an-danin’izay, dia efa nampandrenesina avokoa ireo tobin’ny zandary sy ny Tafika manodidina, anisan’izany ny tao Beravina, ny tao Ankondromena ary ireo miaramilan’ny Zrps hisakana ireo dahalo, hanao izay fara herin’izy ireo hanavotana ireo takalonaina. Ny ampitson’ireo fanafihana io no nifanehitra tamin’ireo zandary mpanara-dia tao Mamoladahy Marotahalaka any amin’iny distrikan’i Miandrivazo iny ireo dahalo. Raikitra teo ny fifandonana sy ny fifampitifiran’ny roa tonta. Araka ny voalaza, dia tsy nahatohitra velively ireo mpitandro filaminana efa matihanina ireo olon-dratsy ka samy nirifitra nanavotra ny ainy avy. Namela ireo hazany sy izy mianaka nalaina an-keriny teo. « Avotra soa aman-tsara ireo takalonaina roa ary votsotra ihany koa ireo omby halatra telo » hoy hatrany ny fampitam-baovao. Tsy nionona fotsiny tamin’izay vokatra izay anefa ireo mpitandro filaminana, fa mbola nanohy nanao hazalambo ireo malaso. Tsiahivina, fa vao tsy ela akory ary tany amin’iny faritra iny no nisy ilay olom-boafidy no sady mpitsabo, maty nisy namono ary taorian’izay dia naharatrana zandary roa indray rehefa nisy ny fifandonana teo amin’ny dahalo. Raha ny mikasika izay, dia fantatra fa misy ny hetsika fanindroany indray hitambaran’ireo mpitandro filaminana any an-toerana hitadiavana izay tena tompon’antoka tamin’izany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici