Mpianatra ho manam-boninahitra nahavita fiofanana tao amin’ny sekoly ambonin’ny zandarmariam-pirenena ato Moramanga no navoaka ny zoma 17 jolay, ny 21ème CSC no 13 mirahalahy fa ny 02 no teratany Nizerianina, 39ème CAO 57 ka 03 no vehivavy ary 04 teratany Togolaizy ary 02 Nizerianina, 05ème BS1PTS 36, 23ème CIA 40 mirahalahy ary ny 55ème BP1 miisa 122. Ireo malagasy kosa dia saika manerana ny nosy no tonga manovo ity fiofanana eto Moramanga ity.Tonga nanome voninahitra ity famoahana ity andiany nantsoina hoe MAHAI (Mandray Andraikitra Ho Andry Iankihinana)ity avokoa ireo manamboninahita jeneraly rehetra teo anivon’ny zandrary. Fotoana ahitan’ireo tanora sy ireo sivily nasaina ny antsipirian’ny seremonina miaramila ny fotoana ivoahan’ireo avy nahavita fiofanana toy izao ary tsy mitsahatra ny mampahafantatra hatrany ny tompon’andraikitra eo anivon’ity sekoly ity fa mandalo fiofanana mandrakariva ny zandary, indrindra fa mialoha ny handraisany ny andraikitra iray. Samy hamonjy ireo toerana nanendren’ny fanjakana azy avokoa izy ireo aorian’ny fahavitan’ny fiofanany.
CATHY