- Publicité -
samedi, mai 17, 2025
AccueilFaits-DiversMoramanga : Ankizy 350 notolorana kilalao

Moramanga : Ankizy 350 notolorana kilalao

Ankizy 350 sahirana tato anatin’ny kaominina Moramanga no notoloran-dRamatoa Razafimandroso Virginie loholon’i Madagasikara sy ny solombavambahoakan’i Madagasikara Andriamatoa Randriamahefa Henri Charles kilalao ny omaly 22 desamdra 2016 teo amin’ny tokontany malalaky ny distrikan’ny Moramanga. Fokontany 13 no nangalana an’ireo ankizy ireo ary avy amin’ny fianakaviana tsy manana fahafaha mividy kilalao mandritry ny fety. Tsy manadino an’ireo latsaky ny 12 taona  ireto olom-boafidy ireto isaky ny vanim-potoana toy izao. Tsy natao ho an’ny manana fahafahana mividy ihany ny kilalao hoy izy ireo fa mendrika ny hitovy amin’ny rehetra ny ankizy indrindra rehefa fetin’ny noely toy izao. Zaza manana olana ara-pandehanana ny dimy amin’ireo. Nanafatra kosa ny mpiray tanindrazana sy ny malala-tanana rehetra izy ireo ny hanaovan’izy ireo hetsika manokana ho an’izy ireny.Nampanantena kosa ireo ankizy fa hataony ho fahatsiarovana tsara ireo kilalao nomena azy ireo satria samban’ny ankamaroan’ireo ankizy  teo amin’ny fiainany no nisy nanome fanomezana nialohan’ny fety.

                                                                                                                                                        CATHY

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici