- Publicité -
mardi, juin 17, 2025
AccueilFaits-DiversMoramanga : Ankizy nipoahan’ny vanja, naratra mafy

Moramanga : Ankizy nipoahan’ny vanja, naratra mafy

Noheverin’ireto ankizy kely fa kilalao ity zavatra somary maranitra ny vodiny ary misy tariby mikirazorazo. Zava-doza anefa no nitranga ny faran’ny herinandro lasa teo tao Ankeniheny, ao amin’ny kaominina Beparasy tao. Nirefotra teny an-tananan’izy ireo mantsy ity zavatra hafahafa hitan’ireo ankizy, raha teny am-pilalaovana azy izy ireo. Vokany ankizikely roa no naratra mafy, potika tanteraka ny tanan’ny iray, simba kosa ny tarehin’ilay ankizy iray nipoahan’ny vanja. Raha ny loharanom-baovao azo dia efa ho herinandro talohan’ny nitrangan’ity loza ity no efa nahitan’ireto ankizy nilalao ireto ity karazana vanja milevina ity. Nolalaovin’izy ity karazana vanja ity ary nentiny nody. Ny rehetra ihany koa tsy nisy nanampo fa dia hoe kilalao. Ny sabotsy lasa teo dia nentin’ireto ankizy ireo nilalao indray ilay zavatra. Nisy tariby nivoaka tamin’izay ary nampifampikasohan’izy ireo. Niteraka tselatr’afo izany ka nampipoaka ilay vanja teny an-tanan’ireto ankizy. Efa samy nentina tany amin’ny toeram-pitsaboana avokoa ireto zaza naratra mafy ireto. Efa mandeha kosa amin’izao fotoana izao ny fanadihadiana ataon’ireo mpitandro filaminana any an-toerana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici