Nitrangan’ny fakàna an-keriny tany amin’iny distrikan’i Moramanga iny, tao amin’ny tanànan’i Manakambola, Amboasary Gara. Dimy mianaka, nisy vehivavy nitondra vohoka iray, no nentin’ireo dahalo an-keriny. Soa ihany anefa fa nandray ny andraikiny ny zandary tao an-toerana ka avotra soa aman-tsara ireto farany. Olona sivy voarohirohy tamin’izany kosa no voasambotra, vao tsy ela akory izay.
Ny alin’ny 17 febroary lasa teo no lasan’ireo olon-dratsy ireto fianakaviana iray ireto, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary tany an-toerana. Nandritra izay fotoana izay, dia tsy nipetra-potsiny ireo tompon’andraikitry ny filaminana fa nanao ny ezaka rehetra hikarohana sy hanavotana ireto olona ireto. Noraisina avy hatrany, rahateo moa tetsy andanin’izay ny « dispositif anti-kidnapping », izay tetik’ady iray, entina hiadiana amin’ireo tranga fakàna an-keriny any ambanivohitra any. Nahitam-bokany tokoa izany, satria dia tsy nahita naleha intsony ireo mpaka an-keriny rehefa voahodidin’ny zandary. Ireto farany, izay efa nikasa ny hitondra ireo olona nalain’izy ireo an-keriny tany amin’iny faritra Andilamena iny, mandra-piandry ny vola notakian’izy ireo tany amin’ireo fianakavian’ireo nalaina an-keriny. Tra-tehaka tsy afa-nanao na inona na inona intsony moa izy ireo, ankoatra ny famotsorana ireo olona teny am-pelantanany. Olona sivy no fantatra fa voasambotra ary nentina natao fanadihadiana, hoy hatrany ny vaovao. Dahalo izay nandray anjara nivantana tamin’io fakàna an-keriny io, ary marihina fa nisy vehivavy miisa efatra tao anatin’izany. Tambajotra iray mihitsy izy ireo ary samy manana ny anjara asany tao anatin’izany asa ratsy izany. Tetsy andanin’izay moa dia fantatra fa sarona tany amin’ireo farany ihany koa ny fitaovam-piadiana nampiasain’izy ireo tamin’izany asa ratsiny : basy vita gasy anankiroa ary sabatra lava lela miisa roa ihany koa. Nentina notananna natao andrimaso ho amin’ny famotorana avy hatrany moa izy sivy mianadahy, dahalo ireto ary hatolotra eny anivon’ny Fampanoavana any Moramanga aorian’izay. Ireo olona nalaina an-keriny dia voalaza fa efa tafaverina soa aman-tsara teny anivon’ny fianakaviany.
m.L




