- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversMoramanga : Fanatsarana ny tanàna, ezaka maro no vita

Moramanga : Fanatsarana ny tanàna, ezaka maro no vita

Fanamboaran-dalana mirefy fito kilaometatra izay tena manahirana ny mponina, sy ny fametrahana ny jiro an-dalam-be, ary ny fanadiovana ny tanàna, no nataon’ny filoha manokan’ny delegasionina eto Moramanga tao anatin’ny fotoana fohy nitantanany ny kaominina. Nijery manokana ny olona tsy an’asa ihany koa izy tamin’ny fanomezana asa ho an’ireo olona 300 tamin’ny alalan’ny asa-tanamaro sy ny fanadiovana ny lalam-pirenena faharoa. Fantatra izany nadritra ny fihaonany tamin’ireo sefom-pokontany 13 niaraka tamin’ireo lefiny avy ny harivan’ny 12 oktobra, tao amin’ny efitrano malalaky ny lapan’ny tanàna.Tsy namela ireo mpiasa mampandeha ny raharaha eo anivon’ity kaominina ity hiaino fotsiny ny fisian’ny fisondrotan-karama ho fito isan-jato ny tenany fa hatramin’ny nandraisany ny fitantanany vonjimaika ny volana jiona, dia efa nampihariny izany ary misitraka izany avokoa ny mpiasa rehetra. Ity fotoana ity ihany koa no nampahafantarana ny lehiben’ny boriborintany eto Moramanga izay vao nandray ny asany ny zoma 09 oktobra teo ka nahafahany nanome toromarika an’ireo masoivohon’ny fanjakana eny amin’ny fokontany ny amin’ny fiatrehana ny fifidianana . Niantso ny olona rehetra ny P.D.S Bernando Germain Berthon Ndrianasy ny hiarahan’ny olona tsirairay amin’ny fampandrosoana miaraka hanatsarana ny tanàna, satria afaka miara-miasa amin’ny rehetra ny tenany ary izany indrindra no nampahatsiahiviny ny anjara andraikitry ny sefo fokontany, noho izy ireo miaina eny ifotony sady mahita mivantana ny zava-mitranga .

Cathy

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici