Razana efatra no nivalampatra tamin’ny sisin’arabe amin’ny lalam-pirenena faharoa, mizotra mankany Toamasina, omaly tokony ho tamin’ny mitataovovonana. Ny iray rangahy avy nivavaka , ny iray rangahy handeha hivarotra ary ny fahatelo ka hatramin’ny fahefatra dia ramatoa bevohoka sy ny zanany lahy izay vao avy nankalaza ny faha-telo taonany, indray niara-maty tao anatin’ity raharaha ity. Ny fahadimy farany dia polisim-pirenena teo am-panaovana ny asany. Toy izao ny zava-nitranga : niala avy any Toamasina ireto olona tao anaty fiara tsy mataho-dalana ireto ny maraina, tsy nisy olana na ny mpamily na ny entina, noho ity asa ity efa fanaony: ny mitondra ireo fianakaviana ireo hatramin’izay.Teo Andasibe no nangataka ny hijery valan-javaboahary, ary taorian’izay no nahitan’ireo fianakaviana niaraka taminy zaza telo mianadahy sy ny reniny, fa nisy fiovàna ny fihetsiny manontolo ary tsy nandeha mora intsony sady tsy niraharaha izay olona na fiara na izay mety nifanena taminy izy.Nanomboka teo amin’ny toerana fampijanonan’ny polisim-pirenena fiara alohan’ny hiditra ny tanànan’i Moramanga no nanomboka nanitsaka an’ilay polisy teo amoron-dalana izy, ary nitohy tamin’ny fanitsahana ireo olona izay maty teo noho eo. Samy mpandeha an-tongotra avokoa ireo farany. Ny tao anatin’ny fiara indray dia samy niezaka ny nandray fepetra manoloana ny nataon’ilay mpamily. Ny hany azon’ilay ramatoa sy ny zanany natao dia ny nanakenda azy ka nahafahany nidona tamin’ny kamio nijanona teo amin’ny sisin-dalana. Lehiilahy iray hafa vokatr’izany no mbola tsaboina any amin’ny hopitalin’i Moramanga noho ny ratra tamin’ny fifandonana.Teo indray dia disadisa hafa no niseho. Izay rehetra nifanena tamin’ilay mpamily dia nodarohany avokoa eny fa na dia ilay renim-pianakaviana niaraka taminy izay efa tapa-tongotra aza. Ramatoa iray hafa koa, efa zokiolona miandry fiara hody no nodarohany ary ny mpamily ilay kamiao nodominy mbola niharan’ny herisetra ihany koa.Efa eo am-pelatanan’ny polisim-pirenana ny fanadihadiana.Manameloka izao zava-bitan’ilay mpamily izao ny solombavambahoaka Randriamahefa Henri Charles sy ny loholon’i Madagasikara Razanajato Virginie nandrindra ny famangian’izy ireo ny fianakaviana mana-manjo sy nandritra ny fidinan’izy ireo nijery ny zava-nisy. Omaly moa dia nodoran’ny olona ilay fiara tsy mataho-dàlana ary torak’izany ihany koa, niatrana teo anoloan’ny biraon’ny pôlisy ny olona, mangataka ny hanaovana fitsaram-bahoaka ilay nahavanon-doza.
CATHY