- Publicité -
samedi, mai 17, 2025
AccueilFaits-DiversMoramanga : Fitrandrahana vatosoa, mpivady naiditra am-ponja

Moramanga : Fitrandrahana vatosoa, mpivady naiditra am-ponja

VATOSOAMpivady no nampidirina any am-ponja ny 9 martsa 2016, noho ny raharaha kariera Beparasy Mangarivotra. Nahatratrarana vatosoa milanja 80 kilao sy 20 tapitrisa ariary izy ireo ary tsy nahitàna taratasy fahazoan-dàlana amin’ny fahafahana mandraharaha amin’ny vatosoa, ary mbola nadrahona mpitandro filaminana.Nandritra ny fandroahana an’ireo mpitrandraka tany an-toerana no nahafantarana fa efa natao trano fanaovam-pety ny sekoly ary efa noheverina mihitsy aza ny handrodanana ny trano fiangonana, izay heverina ho misy vatosoa ao ambaniny, araka ny irak’ireto mpividy vato ireto .Efa manomboka miverina tsikelikely amin’ny laoniny ny fianan’ny mponina any an-toerana amin’izao fotoana  izao  na dia mbola tsy miverina amin’ny andavanandro aza ny vidim-piainana. Somary manahirana ny mponina ity fiovàna tao anatin’ny roatokom-bolana ity;ary misy amin’ireo olona efa tonga tany an-toerana no efa nanorim-ponenana any amin’izao fotoana izao.Nitombo vetivety ny mponina ary efa manahirana ny mitady trano hofaina.Tsy misy vokatsoa ho an’ny kaominina ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny harena an-kibon’ny tany, izay mety ritra toy izao, ka tsy maintsy nandraisan’ny fanjakana  fepetra haingana.                                        CATHY

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici