- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversMoramanga : Henan’alika hamidy 3 000 ariary ny antsasan-kilao

Moramanga : Henan’alika hamidy 3 000 ariary ny antsasan-kilao

Raim-pianakaviana nikasa hivarotra henan’alika, no saron’ny polisim-pirenena, ny tolak’andron’ny alahady 13 septambra tokony ho tamin’ny telo ora, teto an-tampon-tanan’i Moramanga, raha iny nilanja ny hena handeha hamidy iny ilay rangahy tokony ho 50 taona eo ho eo. Niezaka ny nanontany azy ireo polisy, ny amin’ny rà izay nikoriana tao anaty gony; izay nolanjainy ka novaliany fa henan-dambo hamidy ary 3.000 Ariary ny tokony; izay manodidina ny antsasan-kilao ny lanjany. Nandritra ny fifampiresana tamin’ilay mpivarotra no nahatsikaritra ny mpitandro filaminana, fa tsy dia mitovy loatra amin’ny voalaza fa henan-dambo ity hoentina hamidy. Nitohy hatrany ny fanadihadiana nataon’ireo polisim-pirenena miasa misahana ny eny an-dalam-be teo am-perin’asa, fa nanizingizina hatrany ilay rangahy fa mpihaza lambo ny tenany. Tsy nijanona teo ny fifampiresahana tamin’ity mpivarotra, fa nandray ny andraikiny avy hatrany izy ireo nijery ifotony tany amin’ny toerana namonoana an’ity biby ity, ka nahatrarana fa alika no novonoiny. Manambady aman-janaka ity rangahy ity ary efa fanaony izao toetra izao, raha ny fantatra tao anatin’ny fanadihadiana natao azy. Efa eo am-pelatanan’ny polisim-pirenena ny fanadihadiana ary hatolotra ny fampanoavana; izay afaka mamaritra ny fampiharan-dalàna mifandraika amin’izany hoy ny Inspecteur de police Rakotomamonjy Jules. Efa misy olombelona no efa resy lahatra amin’ny fihinana ireny karazana biby fiompy mpiandry tanàna ireny, fa misy amin’ny Malagasy no mbola fady mihitsy na dia ny miompy aza.

CATHY

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici