- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMoramanga : Hiara-kiasa ny zandary sy ny Fanalamanga

Moramanga : Hiara-kiasa ny zandary sy ny Fanalamanga

Misy ny firaha-miasa amin’ny zandary ato anatin’ny faritra indrindra fa ny eto Moramanga sy ny orinasa Fanalamanga manoloana ny fandripahana ny ala sy ny fitrandrahana tsy ara-dalana ary ny fandoroana izay mahazo vahana tato ho ato izay in-telo isan’andro ary tafiditra ao anatin’ny fiaraha-miasan’ny roa tonta ny hanafoanana an’izany raha efa nanao izany asa fiarovana ny fanenjehana ny mpangalatra ala izany ny teo anivon’ny vondron-tobim-paritr’i Moramanga.Matetika no midina ifotony tsy manao filazana mialoha ny eo anivon’ity vondron-tobim-paritra ity rehefa hanao fisafoana indrindra any amin’ny toerana izay fantatra lasibatry ny halatra sy fampihororoana.Hentitra ny tale jeneralin’ity orinasa ity nilaza fa tsy maintsy tafarina ao anatin’ny roa taona ny olana sedrain’ity orinasa ity. »Mpirahalahy mianala ny fitsarana sy ny orinasa Fanalamanga » hoy hatrany ny nambaran’ny tale jeneraly Augustin Rakotonirina satria raha ny eo anivon’ny tribonaly no milaza ny fiarovana ny ala sy ny fanan- tany dia mifanojo mandrakariva amin’ny olana misy eo aminy noho ny fisian’ny olona mibodo ny tany tokony hoan’ny orinasa izany ary nanaovany antso avo ny hamerenana ny tany amin’ny fanalamanga.Nisy ny fahasahiranana eo anivon’ity orinasa Malagasy ity raha ny lasa no jerena saingy tafiditra ao anatin’ny fanambin’ny mpitantana ankehitriny ny hanarenana izany ao anatin’ny fotoana fohy ary hatao voalohan-daharana ny fandrakofana ny ala ao anatin’ny fito taona no sady ho famerenana amin’ny laoniny ny fandrakofana ny velaran-tany hambolena,ny tarigetra dia 3000-4000 ha no rakofana isan-taona raha 1000ha no azo trandrahana,mamboly zanakazo ny orinasa ary efa manana 2500ha ary heverina ho amin’ny volana desambra no efa afaka mahita vokatra amin’ireo zanakazo azo volena.

CATHY

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici