Matanjaka be no tsy mahatsiaro tena toy ny lanin’ny herinaratra no fihetsik’ilay iray tamin’y jiolahy nataon’ny zandary fanadihadiana no sady te handositra fa miady amin’ilay mpimasy nifanao velirano taminy izay izy ihany no mahita izany, ny 03 jolay 2017 tao amin’ny biraon’ny zandary eto Moramanga . Naterina avy hatrany teny amin’ny hopitalin’i Moramanga , ny marain’ny 04 jolay 2017 fa mbola mihombo hatrany ilay fihetsika.Tsy nihevitra ny hanao izao asa ratsy izao izy tany am-boalohany fa nitondra posy no asany.Nisedra olana ara-bola izy tao anatin’ny telo volana toy ny tsy fahaloavana hofan-trano, hofam- posy ka nahatonga azy hanapa-kevitra samirery tsy niera tamin’ny vadiny fa ny resaka nifanaovana tamin’ny namana ny hoe “ mety tsy tratra na mangalatra, rehefa mahay mifanaraka amin’ny mpimasy”.Handeha hitady asa any amin’ny fianakaviana no nialana ny tokantrano ny alarobia 28 juin 2017 izay fotoana nifanomezana ny nanaovana ny velirano teo aminy sy ny namany dia ny nandatsahana ny ràny sy ny fisotroana ireo karazan-javatra maro samihafa amin’ny alalan’ny fomba fanafihana. Izy irery no natao an’ity fomba ity tamin’izy 6n -dahy niray petsapetsa ny hafa kosa vavolombelona. Ny fadin’ilay fanafody dia ny tsy mifanonona rehefa tratra .Tsy nahatohitra ity fepetra ity anefa ilay nitondra ny fady fa vao tratra izy dia nitanisa ireo namany satria izy mihitsy no saron’ny zandary voalohany ka nilaza ny marina rehetra . Voatery nahiditra ny hopitalin’i Moramanga izy ny 04 jolay 2017 ho fitsaboana azy ; mihinjitra toy ireny tsy tompon’ny tenany ireny ary mahita ilay mpimasy mibedy sy mandrahona ny hanala ny ainy mandrakariva izy . Tsy misy vola naloa tamin’ny nanaovana ny velirano niaraka tamin’ilay mpimasy fa izay entana azo no zaraina mitovy aminy. Vao nahazo ny anjarany kosa ity farany dia lasa nody any amin’ny faritra hafa niaviany. Ireo 5 lahy kosa atolotra ny fitsarana raha mbola ampijalian’ny fanahy ratsy ny iray.Hanafika ilay mpivarotra tao amin’ny kaominina Amboasary gara, ny alin’ny 02 jolay 2017 no tanjona ka sady saron’ny zandary no mbola nivadihan’ny fanafody ratsiny.
Cathy