- Publicité -
lundi, mai 19, 2025
AccueilFaits-DiversMoramanga : Jiolahy telo, matin’ny fitsaram-bahoaka

Moramanga : Jiolahy telo, matin’ny fitsaram-bahoaka

Ny  ny alin’ny alahady no nisian’ny fanafihana teo amin’ny tanàna manamorona ny reniranon’i Mangoro ary efa nisian’ny fifanenjehana fa tsy tratra ; izay tsy namelan’ny fokonolona sy ireo andrimasom-pokonolona fa dia nampiaharany ny alahelony satria vehivavy manana fahasembanana no norobainy ary vehivavy vao tera-bao herinandro vitsy no niharan’ny fanolanana nataon’ireto olon-dratsy ireto. Efa niharan’ny daroka nandritra ny ora iray sy sasany ireo olon-dratsy vao nisy niantso ny zandary ka tsy nahatanan’ny ain’ilay anankiray na dia efa niezaka niantso dokotera aza ireo zandary tonga teo teo Ankarefo, raha tonga hatrany ny fandosiran’izy ireo.Mbola afaka niresa kely kosa ny roa mandra-pahatongavan’ny dokotera izay nahafantarana ny fiaviany nialohan’ny hahafatesany.
Folo andro lasa izay no nahazo fiofanana ny andrimasom-pokonolona tao an-toerana ka tsy namela ny fikarohana mandra-maraina ary efa fanamby napetrak’izy ireo ny fametrahana ny fiaraha-miasany amin’ny mpitandro filaminana.Nifanehitra tamin’ireo mpiambina izy ireo ny maraina efa ho tamin’ny enina ora,ka nanontaniana satria fantatra fa tsy mponina eny an-toerana dia fandosirana no nasetriny izany ka nitarika ny fanenjehana  ary dia izao niafara tamin’ny fitsaram-bahoaka izao. Basy vita gasy iray sy basy kilalao efa nampiasaina no hita teny amin’izy ireo izay nentina nampihorohoroana nandritra ny fanafihany.Efa niara-nalevin’ny fokonolona izy telo lahy, ny alatsinainy 26 septambra 2016.Vonona ny hifanome tànana amin’ny zandary ireo fokonolona amin’ny fitandroana ny fahalemana ao an-toerana.

CATHY

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici