- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversMoramanga : Masimbavy Terezin’i Jesoa, olona 329 nanao dia an-tongotra

Moramanga : Masimbavy Terezin’i Jesoa, olona 329 nanao dia an-tongotra

Mpandeha an-tongotra 329 avy any Antananarivo – Moramanga (110 kilaometatra) no tonga ny 16 jolay tokony ho tamin’ny efatra ora latsaka fahefany, tao amin’ny fiangonana katolika Ambarilava, eto Moramanga renivohitra. 12 taona no zandriny indrindra ary 75 taona no lehibe indrindra. Dimy tamin’izy ireo no tsy tody hatramin’ny farany noho ny aretina efa nahazo azy vao niala tany Antananarivo, ka valo kilaometatra no sisa tsy vitan’izy ireo. Mandalo fijanonana telo izy ireo vao tonga eto Moramanga, raha niainga tao Antananarivo ny 13 jolay. Diosezy sivy no nahatonga solontena dia i Farafagana, Toliary, Fianaratsoa, Morondava,Antsirabe, Mahajanga, Antananarivo. Samy tonga tao Ampasanimalo avokoa izy ireo ny 12 jolay rehefa samy nanana ny fiaingàny avy any amin’ny farita nisy azy tsirairay avy. Dimampolo kosa ny avy any Amboasary gara, izay ato anatn’ny distrikan’i Moramanga ihany. 61 kilaometatra no halaviràny vao tonga eto andrenivohitr’i Bezanozano. Efa fanao isan-taona ny pelerinazy toy izao  fa niavaka kosa ny tamin’ity taona ity, dia nifanandrify tamin’ny fahatongavan’ny relikàn’i Masimbavy Terezin’i Jesoa zazakely. 65 no isan’ireo mpandeha an-tongotra tany am-boalohany, andiany fahasivy izao, ary tsy nitsaha-nitombo hatrany izy ireo. Ny fampitomboana ny finoana no anton’izao ary efa betsaka no nahita tombotsoa tamin’izany fandehanana an-tongotra izany, indrindra ny tsy fitsaharan’izy ireo mivavaka mandritra ny fandehanana eny an-dalana. Hiainga kosa izy ireo ny alatsinainy aorian’ny fanamasinana Pretra ny alahady 19 jolay. Ireo pretra ao anatin’ny fikambanana karma no manao izao fikarakaràna izao.

CATHY

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

4 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici