- Publicité -
mardi, juin 17, 2025
AccueilFaits-DiversMoramanga : Mécanicien bokan-trosa tratra nangalatra fiara

Moramanga : Mécanicien bokan-trosa tratra nangalatra fiara

Ny sabotsy teo no nitranga ny halatra fiara tamin’ny fanaovana taratasy sandoka sy laharan’ny fiara hosoka. Tovolahy iray mpanao asa mpanamboatra fiara bokan-trosa avy ao Moramanga no nanao izany izay tratran’ny zandary ambodiomby tao Sahavalaina Brickaville ny sabotsy alina nifoha ny alahady maraina teo. Raha ny fanazavana dia tonga teto Toamasina ity rangahy ity ny zoma, ka raha ny taratasy hosoka efa teo aminy dia fiara “forgeon” no saika hangalariny saingy tsy nahita izany izy, ka fiarakaretsaka iray 306 no nokendreny hitadiavany mpividy. Ny sabotsy maraina no nahitany ilay fiarakaretsaka ka nanao mody mpandeha aloha izy nijereny ny momba ny fiara ka 5.000 ariary ny saran-dalana tamin’izany. Raha hitan’ilay rangahy mpangalatra fiara fa azo hamidy tsara ilay fiara 306 fiarakaretsaka dia nifanome fotoan izy roa lahy ny alina fa hanao “special” ha 60.000 ariary ny saran-dalana. Nisotro tamina trano fisotroana iray izy ireo, rehefa tena alina ny andro dia nirahany mody nividy zavatra ilay mpamily fiarakaretsaka, ka teo no nanararaotany nanisy fanafody “valium” mampatory ny ranomboakazo nosotroin’ilay mpamily raha nisotro toana ilay rangahy hangalatra ny fiara. Vao hitany fa nandaitra ny paikadiny dia nandeha amin’izay izy ireo, ka raha nahita ilay mpamily manomboka rasi-tory ilay rangahy mitetika hangalatra ny fiara dia nofatorany tamina “scotch” ilay mpamily ary nofatotany tamin’ny sezan’ny fiara. Efa teny an-dalana mihazo ny lalam-pirenena faharoa izy ireo no nisy nahatsikaritra ka ireo nahita izany no nampandre ny zandary mpanao sakan-dalana tao Sahavalaina Brickaville, ka tao no nahatrarana azy ambodiomby. Araka ny fanazavana hatrany dia nokasainy ho vonoiny hatsipy anaty rano ilay mpamily miala an’i Brickaville, saingy izy izao tratra izao ka mbola manaraka fitsaboana ilay mpamily noho daroka sy ny fanafody “valium” marobe laniny. Miandry fitsarana ao ambalatavoahangy ilay rangahy nikasa hangalatra fiara taorian’ny fiakarany fampanoavana sy mpitsara mpanao famotorana omaly tolakandro.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici