Tsy tahotra tsy henatra ny an’ity lehilahy iray izay mianjaika sy lava ranjanana ity izay, nisoloky ho mpiasan’ny faritra Alaotra Mangoro, mitaky tamberim-bidy amin’ireo rehetra hiditra hitrandraka vato ao Mangarivotra Moramanga, ary dia voafitaka avokoa ny rehetra satria manana taratasy sandoka izy, izay misy sonian’ny lehiben’ny faritra araka ny voalazany, manana « orde de mission » sandoka ihany koa ity lehilahy ity. Efa betsaka ireo voafitaka sy efa nahazaoany vola be, eny fa na ireo mpitondra varimbariana aza dia voafitaka. Niely hatraty amin’ny renivohitry ny faritra izany fihetsika izany ka nandraisan’ny lehiben’ny faritra ny Dr Raminoarison Honoré andraikitra ka naniraka mpitandro ny filaminana nisambotra ity lehilahy ity. Rehefa nosavaina ny tany anatin’ny malety izany nentiny dia nahitana fanafody gasy maromaro sy fitomboky ny faritra hosoka ary fitomboka hafa. Mandeha ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao, ary mampitandrina ireo mpisoloky ny faritra fa hentitra amin’ny fandraisana andraikitra. Efa noroasin’ny fanjakana rahateo ireo mpitrandraka tsy aradalana ireo, hoy ny fanazavana.
Janus R