vendredi, mai 23, 2025
AccueilFaits-DiversMoramanga : Nampatsiahy sy nampahafantatra ireo sampan-draharaha ny Bianco

Moramanga : Nampatsiahy sy nampahafantatra ireo sampan-draharaha ny Bianco

Hefarana no tato anatin’ ny distrikan’ i Moramanga ny sampana fanabeazana sy fisorohana eo anivon’ ny Bianco Toamasina,ny 27 ka hatramin’ ny 30 aogositra 2019. Voakasiky ny fihaonana ny teo anivon’ny sampan-draharaham- pampianarana, ireo  misahana ny fahasalamam-bahoaka, ny misahana ny fananan- tany, ny Jirama, ny mpanao fizaha ara-teknika momba ny fiara ary ny kaominina ambonivohitra Moramanga sy kaominina ambanivohitra Ambohibary. Ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ ireo tompon’ andraikitra voakasika no natao, satria efa fantatra araky ny lalàna izay milaza fa tsy maintsy misy rafitra miady amin’ ny kolikoly eo amin’ ny sehatry ny asam- panjakana. Nanentana ireo fiarahamonim-pirenena ny amin’ ny fandraisana amin’ ny ady amin’ ny kolikoly eo amin’ ny fanabeazana ny olom-pirenena mba handà sy tsy handefitra. Tsy vitsy ireo fikambanana no mbola liana amin’ ny fihaonana amin’ ireto tompon’ andraikitra namita ny asany teto Moramanga ireto.

Cathy

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici