- Publicité -
lundi, mai 19, 2025
AccueilFaits-DiversMoramanga : Nandray fepetra ny mponina momba ny asan-jiolahy

Moramanga : Nandray fepetra ny mponina momba ny asan-jiolahy

Tsy maintsy hafainganina ny fanoratana ireo mponina na mandalo na matory ao anaty karinem-pokontany, hamafisina ny andrimasom-pokonolona sy ny fiaraha-miasa amin’ny mpitandro filaminana ary ny fampitam-baovao; hisy ny fandraisana fepetra amin’ireo mpivarotra sy mpifoka rongony izay hita fa miha-mahazo vahana amin’izao fotoana. Hentitra izy ireo amin’ny fiambenana amin’ny alina sy ny fisavana karapanodro ho an’izay mivezivezy ao aminy. Notapahan’ireo fokonolona izany nanditra ny fivoriana ny faran’ny herinandro teo noho ny fisian’ny vaky trano misesy sady saika amin’ny ora mitovitovy. Tapa-kevitra ireo fokonolona, notarihin’ny sefom-pokontaniny, fa miainga amin’ny fahatsapan-tenan’ny olona tsirairay ny fandriam-pahalemana ifotony. Nampilaza tamin’ireo mpiasam-panjakana mifindra toerana ka tonga any anivon’ny fokontany ihany koa izy ny hanatonana ny biraom-pokontany, sy ireo maro hafa izay nivoaka tamin’ity fotoana ity. Raha samy vonona amin’ny fanarahan-dalàna ny olona, hoy hatrany ny sefom-pokontany, dia mora ny mifehy ny tsy fandriam-pahalemana.

CATHY

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici