- Publicité SW45 -
dimanche, mai 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMoramanga : Raim-pianakaviana tratra nanolana ny zanany fito taona

Moramanga : Raim-pianakaviana tratra nanolana ny zanany fito taona

Raim-pianakaviana 48 taona no tratran’ny renim-pianakaviana teo ambony fandriana manolana ny zanany vavy vao fito taoana monja. Tsy tao an-trano ireo ray aman-dreny fa niantsena. Tokony ho tamin’ny valo ora maraina no nitrangan’ity zava-doza nataon’ity lehilahy ity ny 14 desambra 2017 tao amin’ny zana-tananan’Antanivao, ao anatin’ny fokontany Befotsy, kaominina Ambohibary. Niandry tano ireto zaza ireto no nomen’ity lehilehy ity vola 5000 ar ny zokiny 12 taona mba hatory eo ambony fandriana hiaraka hiandry trano amin’izy ireo izy. Tonga tampoka nefa ny renin’izy roa vavy no nahatratra ny zanany efa nalemy ny iray zoky. Ary ilay zandry, mbola teo am-panaovana ny asa ratsiny izy no tratra. Niantso ny mpitandro filaminana avy hatrany ity reny ary nandray ny andraikiny ny komandin’ny borogadin’nyzandary eto Moramanga . Efa natolotra ny fisarana ny 21 desambra 2017 ny raharaha taorian’ny fanadihadiana natao azy ary niaiky ny zava-bitany tsy noterena ity raim-pianakaviana ity. Efa nisy zazavavy hafa efa nampiharan’ity rangahy ity ny toetra ratsiny saingy tsy sahy nitory ny sasany, ny sasany kosa efa nitory azy ka efa nahatonga azy hiditra am-ponja teo aloha. Raha ny fantatra dia vao avy nahavitany saziny izy dia izao tatra izao indray.

Cathy

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici