- Publicité -
dimanche, juin 15, 2025
AccueilFaits-DiversMoramanga : Tsy afaka mamokatra saribao fa manao fararano

Moramanga : Tsy afaka mamokatra saribao fa manao fararano

Niakatra ny vidin’ny saribao ato anatin’ny distrikan’ny Moramanga tao anatain’ny roa volana noho ny vaninandro fararano satria ireo olona mivelona anatin’ny asa fanaovana saribao izay dia lasa nijinja vary avokoa ny ankabeazan’izy ireo ;etsy andaniny koa ny fahatapahan’ny lalana hamboarin’ny orinasa Fanalamanga ao Ambohimena izay tsy nisy fanamboarana hatramin’izay no tsy maintsy nasiam-panam-boarana tao anatin’ny iray volana  ka miteraka ny tsy fahafahan’ny vokatra mivoaka ary heverina ho amin’ny volana jolay izao ny fisokafan’izany lalana izany. Manodidina ny 5000ar ny vita avy amin’ny kesika ka hatramin’ny 8000ar ny vita avy amin’ny hazo hafa ( kininina na hazo ala) ny gony lehibe mahazatra ny mponina eto Moramanga renivohitra ary niakatra ho 10 000ar ka hatramin’ny 15 000ar amin’izao fotoana izao raha toa ka lafo noho izany ny any amin’ny faritany izay vatsian’i Moramanga harina.Tafiditra ao anatin’ny  fankalazana ny fetim-pirenena Malagasy ihany koa ny fararano ka saika mody any amin’ny fianakaviany avokoa ireo mpamokatra sy efa mivelona amin’ny asa fanaovana  saribao eto Moramanga ary aorian’ny fety avokoa vao miverina mamonjy ny asany raha toa ka tsy mponina avy eto avokoa ny ankamaroany. Niteraka fiakaran’ny vidin’ity saribao ity izay saika filan’ny ankamaroan’ny Malagasy izany na eto Moramanga na hatrany Antananarivo ary nitohy hatramin’ny filazana fa nikatona ny orinasa Fanalamanga ; nanamafy ny tale jeneralin’ity orinasa ity fa miasa ary mihodina tsara ny asa ary betsaka ireo fandraisan-tànana amin’ny asa fampandrosoana ataon’ny orinasa ato anatin’ny faritra Alaotra Mangoro.

                                                                                                                CATHY

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici