- Publicité -
mardi, septembre 15, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMoramanga : Zaza nateraka niakarana fitsarana

Moramanga : Zaza nateraka niakarana fitsarana

Zaza faharoa nateraky ny reniny ilay zazalahy 13 taona sady manana ny kopia nahaterahana ara-dalana ary monina eto Moramanga renivohitra. Tao anatin’ny telo volana (  febroary 2017 ka hatramin’ny aprily 2017) izao no tsy hita izay misy io zaza io hatramin’izao. Narary mafy teo am-pandriana ilay reny niteraka azy no naniraka ity zaza ity hividy sira, dia izao izy tsy niverina intsony izao. Efa fanindroany no nisy ny tranga tsy fahitana an’ity zaza ity,ka tamin’ny taona 2012 no voalohany. Ity tsy fahitana azy voalohany ity no niteraka ny disadisa, satria hita tany amin’ny tokantrano iray tao amin’ny kaominina Anjiro ilay zaza rehefa nandeha ny fitadiavana. Nilaza ho very zanaka roa volana ireto fianakaviana nitazona azy tamin’ny taona 2004 nandritra ny fitaom-pivavahana tamin’izany fotoana izany, raha niangavy olona niara-nipetraka taminy tao am-piangonana ilay ramatoa mba hitazona ny zanany  fa hivoaka vetivety. Rehefa tafaverina teo amin’ny toerana nipetrahany izy dia efa tsy teo intsony ilay olona nampitazonina ilay zaza. Nanomboka teo ihany koa ny fitadiavany ny zanany.Taty aoriana, noho ny fahitany ity zaza ity teny am-pilalaovana tamin’ny taona 2012 no nilazany fa zanany ka nentiny avy hatrany, ary nitarika ny raharaha hatrany  amin’ny fitsarana, vao tafaverina tamin’ilay reny manana ny kopia nahaterahana ara-panjakana ilay zaza. Tsy hita indray ilay zaza amin’izao fotoana izao, ny ankilany etsy andaniny nampiakatra indray ny fitoriana izay efa noheverina ho nilamina tamin’ny taona 2012, sady manizingizina fa zanany ilay very. Efa eo am-pelatanan’ny fitsarana ny raharaha.

Cathy

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici