- Publicité SW45 -
samedi, avril 27, 2024
AccueilFaits-DiversMoramanga : Zazavavy 11 taona, simba tanteraka, naolan’ny raikeliny

Moramanga : Zazavavy 11 taona, simba tanteraka, naolan’ny raikeliny

Zazavavy 11 taona no niharan’ny fanolanana ary mitondra ny fahasarotan’ny fitsaboana amin’ilay zaza amin’izao fotona izao, noho ny herisetra tafahoatra nahazo azy.Ny raikeliny ihany no nahavanon-doza ary efa ela no nitsiriritany an’io zaza io raha ny nambarany tamin’ireo polisy nanao fanadihadiana azy.21 taona ity raim-pianakaviana nahavanon-doza ity  ary fony ity zaza ity vao dimy taona no nanomboka niditra teo amin’ny fiainan’izy mianaka ilay lehilahy.Tsy naharitra intsony ny filan-dratsiny izy ka niandry ilay renim-pianakaviana niantsena no nanaovany ny toetra ratsiny.Nitaraina tamin’ny mpiray vodirindrina aminy ilay zaza; noho ny fandrahonan’ilay rangahy azy ka tsy nahasahiany nitaraina mivantana tamin’ny reniny ary ireo mpiara-monina no nampilaza avy hatrany ny polisy ny 25 jolay 2016 ary nahatonga ny mpitandro filaminana avy hatrany kosa no nanao ny fisamborana ity lehilahy nahavanon-doza.Tsy mandefitra amin’ny fanaovana ny herisetra amin’ny ankizy ny polisim-pirenena ato Moramanga hoy hatrany ny kaomisera Ramahenina Anselme aminy dia ireny ankizy ireny rehefa manao antoka tsara ny amin’ny fiarovana azy dia mazoto amin’ny fiatrehana ny hoaviny.Miantso ny olom-pirenena rehetra izy hiara-hiaro ireny ankizy ireny.Efa any am-ponja ny alakamisy 28 jolay teo ilay lehilahy nahavanon-doza, hoy ny nambaran’ny kaomiseran’ny polisim-pirenena eto Moramanga tamin’ny mpanao gazety , ny asabotsy 30 jolay 2016.

CATHY

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici