Tsy nisy tao an-toerana ny tompon-trano tamin’io fotoana io, ary nanararaotra nibata izay zakany ireo olon-dratsy… Fandrobana antoandro be nanahary no nitranga teny amin’iny faritra Ambohitsoa iny, ny andron’ny alahady teo. Artista manana ny maha izy azy no lasibatra teto, raha ny angom-baovao azonay.
Tokony ho tamin’ny folo ora sy sasany tany ho any no nitranga ity vaky trano teny an-toerana. Mpiray vodirindrina no nahatsikaritra ny vavahadin’ireo tompon-trano nivaha ary nampandre avy hatrany ireto farany. Nidina teny an-toerana avy hatrany ireo tompon’andraikitra teo anivon’ny fokontany. Tsikaritra tokoa fa nisy namaky ilay trano. Voapitsoka ny varavarana ary lasan’ireo tsy valahara ny zavatra lafovidy sasantsany tao amin’ilay tokantrano. Nanam-potoana tokoa ireto farany nanao ny asa ratsiny ary nitsoaka toy ny teo rehefa nahazo izay nilainy. Raha ny tombatombana dia ankevitry ny olona mahafantatra tsara ireo tompon-trano ary nahalala fa tsy nisy olona tao amin’io fotoana io. Niara-nijery ny zava-nisy teny an-toerana, niaraka tamin’ireo tompon’andraikitry ny fokontany moa ny mpitandro filaminana misahana iny faritra iny. Saingy nilaza izy ireo fa « tsy afaka manokatra ny fanadihadiana, raha tsy misy ny fitoriana avy amin’ireo fianakaviana lasibatra. Hatreto anefa, tsy mbola nandray izany izy ireo », araka ny fanazavana azo.
Tato ho ato tokoa dia niara-nahita ny firongatry ny tsy fandriampahalemana teny amin’iny faritra Ampamantanana sy Ambohitsoa iny. Fanafihana mitam-piadiana, vaky trano, ny maro hafa. « Nisy tokoa izay fiakaran’ny tahan’ny tsy fandriampahalemana izay, saingy efa manao ny ainy tsy ho zavatra ihany koa ny mpitandro filaminana, entina hiadiana amin’izany. Raha tsy hiteny fotsiny afa-tsy ny fampitomboana ny fisafoana andro aman’alina ireo lalan-kely sy elakelan-trano rehetra » raha ny filazan’ny tompon’andraikitra. Efa nahazoam-bokatra izay hetsika izay satria efa nisy maromaro tamin’ireo andian-jiolahy malaza ratsy teny an-toerana no nosamborina ary efa nampidirina am-ponja. Ary mbola mitohy hatrany moa izany. Hanentanan’ireo mpitandro filaminana, fiaraha-mientana sy fiaraha-miasa amin’ireo mponina ihany koa.
m.L