- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMorarano Kraoma : Dahalo sy mpanadio omby halatra dimy naiditra am-ponja

Morarano Kraoma : Dahalo sy mpanadio omby halatra dimy naiditra am-ponja

Miisa telo ireo tena dahalo, mpitondra basy sy manafika tanàna ary miisa roa kosa ireo dahalo ambony latabatra, miandrakitra fotsiny ny fanomezana taratasin’omby ara-dalàna ho an’ireo omby halatra. Saron’ny zandary tao Morarano Kraoma, distrika Amparafaravola, faritra Alaotra Mangoro, ity tambajotra iray ity, niaraka tamin’ireo fitaovana : taratasin’omby isan-karazany ary fitombomkasem-panjakana maromaro ary ireo fitaovam-piadiana fampiasan’izy ireo. Ny faran’ny herinandro teo moa izy ireo no voasambotr’ny zandary avy ao amin’ny zana-tobi-paritry ny zandary ao Morarano Kraoma hatrany. Tamin’ny famotorana nataon’ireo tompon’andraikitry ny filaminana azy ireo no niaikeny tsara ny asa ratsy vitany. Rehefa natolotra ny Fampanoavana tany an-toerana moa ireto olon-dratsy ireto dia samy naiditra am-ponja vonjimaika avokoa.

Efa hiaraha-mahalala fa tsy miasa irery mihitsy ireny dahalo mpangalatr’omby ireny fa tsy maintsy misy ao mpiray tendro aminy, « mpanadio » fotsiny ireo omby halatra hanana taratasy ara-panjakana sy ara-dalàna. Tsy mikely soroka miady amin’izany asa ratsiny ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena ka nahafahana nisambotra ireo tompon’antoka tamin’izany. Anisan’izany ireto tany Morarano Kraoma, Amparafaravola ireto. Tsy any amin’iny faritra iny anefa fa mbola maro ireo tambazotrana mpangalatr’omby amin’ny faritra maro eto amintsika. Ny hirariana dia ny hitohizan’ny ezaka toa izao.

m.L

 

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici