- Publicité -
dimanche, juin 15, 2025
AccueilFaits-DiversMorombe : Renim-pianakaviana maty notsatoham-badiny ny antsy

Morombe : Renim-pianakaviana maty notsatoham-badiny ny antsy

Hasarotam-piaro diso tafahoatra. Ramatoa iray no maty notsatohan’ny vadiny ny antsy, ny asabotsy hariva teo, tany Morombe. Tara fodiana tao an-tranony ity renim-pianakaviana mbola tanora manodidina ny 35 taona ity tamin’io andro io, ka noendrikendrehan’ny vadiny fa manitsakitsaka ny tokatranony. Raikitra ny ady sy fifamaliana teo amin’izy mivady. Tezitra rangahy tsy nahatsindry fo intsony, ka avy hatrany dia nanamparan’ny heriny notsatohany tamin’ny antsy ity andefomandriny, na dia nandà mafy ny fanendrikendrehana azy. Niatefa teo amin’ny tratrany tsy lavitry ny fon-dramatoa ny zava-maranitra. Nihijitra ny rà ary nitarika ny fahafatesany, na dia noezahina haingana namonjy tobim-pitsaboana aza, saingy teny an-dalana minitra vitsy taty afara dia tapitra ny ainy. Raha ny fantatra araka ny vaovao voaray dia tsy vao sambany no isiana ady eo amin’izy mivady ireto fa efa matetika. Noho ny fahazaran’ny manodidina ny gidragidran’izy ireo dia tsy taitra intsony ny mpiara-monina ary tsy nisy sahy niditra an-tsehatra tamin’ny ady saritak’izy mivady ny asabotsy io. Nitsoaka kosa ilay nahavanon-doza ka mbola karohina, hoy harany ny vaovao voaray.
Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici