- Publicité -
jeudi, juillet 17, 2025
AccueilFaits-DiversMoron-dranomasin’ny hopitaly be : Mpanjono roa lahy rendrika, iray maty…

Moron-dranomasin’ny hopitaly be : Mpanjono roa lahy rendrika, iray maty…

Nitrangan’ny loza an-dranomasina teo akaikin’ny moron-dranomasin’ny hopitaly be Analakininina Toamasina. Mpanjono roa lahy namindra lakana no tra-doza teny ambony rano. Raha ny fanazavan’ny fianakaviany dia tsy handeha hanjono ireto roa lahy rendrika ireto ny tolakandro io fa haka lakana avy teny amin’ny moron-dranomasina akaiky ny tobin’ny zandary, lakana nafindra teny akaikin’ny tetezana hopitaly be. Raha ny nambara dia teny an-dalana dia nanana olana ilay lakana, satria vaky be sy napidi-drano be. Samy niezaka nanavotra ny ainy izy roa lahy, araka ny hitan’ireo mpitazana, nefa dia rendrika tanteraka ilay lakana nony avy eo. Tody soa aman-tsara teny an-tanety ny iray tamin’ireto mpanjono, saingy ny iray kosa naira-niletika tamin’ilay lakana nentiny. Nampandre teny amin’ny manodidina ilay avotra fa rendrika an-dranomasina ny namany, ka niroso tamin’ny fikarohana an’ilay namany natelin’ny ranomasina ireo namany mpanarato manodidina rehetra teo. Raha nokarohina fatratra ilay rendrika dia hita ihany ny fatiny tokony tamin’ny 04 ora tolakandro. Hitan’ireo mpanarato nikaroka azy teo ambony rano izy, saingy efa kely ny ainy, ka nentina nanatona ny hopitaly be. Nanao ny ezaka rehetra ny mpitsabo, saingy tsy tana ny ain’ilay mpanarato. Raha ny fanazavana dia tovolahy 17 taona ity natelin’ny ranomasina ity, ary mipetraka ao ambadiky ny kianja mitafo Soavita Tanamakoa Toamasina.

Malala Didier 

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici