- Publicité SW45 -
mercredi, mai 15, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMorondava Antehiroka : Lehilahy novonoina ary navalana rano

Morondava Antehiroka : Lehilahy novonoina ary navalana rano

Tokony ho efa roa andro teo ho eo no efa nahafatesany. Ny tolakandron’ny zoma lasa teo, hatairana ny an’ireo monina tao Andramiarana, fokontany Morondava Antehiroka raha nahita ity faty olona natsingevan’ny vavaranon’Ikopa. Nantsoina avy hatrany ny zandary ary nidina teny an-toerana niaraka tamin’ny mpitsabo. Tamin’ny fitsirahana ny razana no nilazan’ny tompon’andraikitra fa efa somary elaela ity farany no namoy ny ainy saingy natsingevan’ny rano teny foana. Tetsy andanin’izay, nahitàna ratra sy feno mangana faritra maro amin’ny vatany ary nibontsina feno rano ny kibony. Tombanan’ireo mpanao fanadihadiana ho nisy namono ity lehilahy ity roa andro talohan’io ary navalan’ireo tsy valahara tany anaty rano ny vatana mangatsiakany taorian’izay. Hatreto moa dia mbola ao anatin’ny famotorana izay nosokafana tamin’io fotoana io ihany ireo zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Antehiroka. Tsy mbola fantatra araka izany ny anton’ny famonoana sy ireo olona nahavanon-doza. Ny razana kosa taorian’io fitsirihana isan-karazany dia efa nateriny teny amin’ny tranom-patin’ny Hjra eny Ampefiloha, miandry izay mety ho fianakaviany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici