- Publicité -
lundi, septembre 7, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMorondava Antehiroka : Olona hita faty teo am-baravaram-pasana

Morondava Antehiroka : Olona hita faty teo am-baravaram-pasana

Hatairana ny an’ireo mponina tetsy Ambohimiadana, Morondava Antehiroka, ny marainan’ny alarobia teo. Lehilahy iray tokony 45 taona no hita niankohoka efa tsy nisy aina intsony teo anoloan’ny varavaram-pasana iray teny an-toerana. Novonoin’olona ? Notaingenan’ny mpamosavy? Mamo dia diso varavarana? … Samy eritreritry ny rehetra teny an-toerana avokoa izany.

Tsy nisy sahy nanatona moa ny rehetra raha tsy tonga ireo tompon’andraikitra izay nampandrenesina taorian’ny tranga. Tazana niaraka tamin’ny sefo fokontany teny an-toerana ny  zandary sy ny mpitsabo. Araka ny angom-baovao azo dia olona eny an-toerana ihany izy io saingy karazan’ireo olona tsy manana trano tena hitoerana. Nihohoka tamin’ny tany no nahitana ny razana teo ambonin’ny fatim-baoritra isan-karazany ary nihosin-drà. Tamin’ny fitsirihana azy akaiky no nahitana ratra vokatry trindrona zava-maranitra teo ambany saokany, nivonto ary mangana ihany koa ny handriny sy ny masony. Voalazan’ny mpitsabo fa ny alin’io nahitana azy io izy no namoy ny ainy, vokatry ny fahaverezan-drà be loatra.

Hatreto, dia mbola mijanona ho mistery aloha  izay tena antony nahatonga ny ratra nahafaty azy izay. Ny azo heverina sy alehan’ny saina voalohany, hoy ireo mpanao fanadihadiana, dia tsy fahafatesana voajanahary fa nataon’olona no nahazo an’ity lehilahy. Taorian’ny fitsirihana nataon’ny mpitsabo moa dia efa nomena ny fianakaviany ny razana. Tetsy an-danin’izay dia misokatra kosa ny famotorana mahakasika ity tranga ity, izay sahanin’ny zandary avy etsy Antehiroka.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici