- Publicité -
mardi, juin 17, 2025
AccueilFaits-DiversMorondava : Famonoana « assistant administratif », mitarazoka ny raharaha

Morondava : Famonoana « assistant administratif », mitarazoka ny raharaha

Nodorana tamin’ny afon-tsigara ary nodarohina ho faty Itpk Robertos. (sary nomena)

Herintaona androany, 08 mey, ny namonoana ho faty an’i Robertos Andrianatoandro, assistant administratif, izay niasa tao Morondava, izay novonoina tamin’ny fomba feno habibiana tokoa. Efa-dahy, izay namany mpiara-miasa aminy ihany no voarohirohy tamin’izany vono olona izany. Efa niakatra fitsaràna, telo volana taorian’ny tranga, ity raharaha ity. Ka tamin’izany dia fantatra fa ny iray tamin’ireo efa-dahy dia voaheloka hisazy an-tranomaizina enin-taona, raha nohafahana kosa ny telolahy. Tsy nahafa-po ireto fianakaviana izay didy navoakan’ny fitsaràna izany. «Ambonin’izay tamin’io fotoana io dia tsy teo ny mpisolo vava anay fianakaviana nanana ny maty ary nisy tamin’ireo vavolombelona ihany koa no tsy nohenoina. Nangataka izahay ny hanemorana ny fitsaràna kanefa dia mbola notanterahina ihany izany ». Nisy araka izany fampiakaràna nataon’izy ireo. Hatreto anefa tsy hita veroka ihany izany. Ka noho izany dia miahiahy ireto fianakaviana ireto, izay tonga taty aminay fa sao sanatria ka mihitsy ambadika, antony izay mampitarazoka ny raharaha. Eo anatrehan’izany dia miantso sy manao antso avo amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy, indrindra fa ireo eo anivon’ny fitsaràna, ireto fianakavin’ity mpiasam-panjakana ity mba hijery akaiky ity raharaha ity.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici