- Publicité -
mardi, mai 20, 2025
AccueilFaits-DiversMorondava : Katesista iray maty voatapa-tenda

Morondava : Katesista iray maty voatapa-tenda

Mirongotra tokoa ny asan-dahalo any amin’ny faritra tato anatin’ny andro vitsivitsy izay. Tsy vitan’ny manafika intsony ireo dahalo fa saika miafara amin’ny herisetra sy habibiana izany. Toy ity nitranga tany Antsahamiroaky, ao amin’ny kaominina Bemanonga, any Morondava. Katesista iray no novonoin’ireto malaso ireto tsy nananany antra rehefa avy nanafika izy ireo. Avy hatrany dia notapahan’izy ireo ny tendan’ity mpitarika fivavahana ity. Namoy ny ainy teo no ho  eo moa ity farany raha ny fampitam-baovao azo. Ny alatsinainy lasa teo  no nitranga ity asan-dahalo miharo habibiana ity tao amin’io tanàna io. An-dalana hody vao avy nampivavaka  mihitsy ity katesista ity no nifanehatra tamin’ireo andian-dahalo am-polony maro nirongo fitaovam-piadiana. Tsy fantatra na hoe sao hilaza ny dian’ireto malaso ireto amin’io mpanara-dia angamba no antony namonoan’izy ireo tsy misy indrafo ity olom-piangonana ity. Navelan’ireto nahavanon-doza teo amin’ny sisin-dalana teo moa ny vatana mangatsiakany ka olona sendra nandalo no nahita ny razana nilona tanaty rà mandriaka. Teo vao nampandrenesina ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy mahakasika ity vono olona an-kitsirano ity. Efa mandeha moa ny fanadihadiana sy fikarohana izay nahavanon-doza tamin’ity katesista ity ataon’ireo mpitandro filaminana any an-toerana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici