- Publicité -
vendredi, juin 20, 2025
AccueilFaits-DiversMorondava : Lakolosim-piangonana saika nisy nangalatra

Morondava : Lakolosim-piangonana saika nisy nangalatra

Raha nangingina tanteraka ity resaka halatra lakolosy ity volana maromaro izay dia vao nahitàna tranga iray indray tany amin’iny distrikan’i Morondava iny ny faran’ny herinandro lasa teo. Lakolosim-piangonana iray tao amin’ny tananan’i Marofototra, ao amin’ny kaominina Bemanonga mantsy no saika nisy nangalatra ny alin’ny sabotsy. Efa tafidin’ireo tsy valahara ilay lakolosy no tojo tampoka ireo zandary mpanao fisafoana izy ireo ka nanao tari-dositra nitsoaka.

Tokony ho tamin’ny 11 ora alina tany ho any no nitranga izy io. Somary nafampana tanteraka mantsy ny toe-draharaha tany amin’iny distrikan’i Morondava iny ny herinandro teo ka tsy mitsahatra manao fisafoana ireo mpitandro filaminana any an-toerana. Indrindra ihany koa fa misy ilay hetsika manokana ataon’ny zandary amin’izao ka tsy mandry andro tsy mandry alina ireto farany. Tamin’izany indrindra no sendra olona mampiahiahy nidina avy any ambony tilikambom-piangonana iray tao amin’io tanana io ireto zandary. Nanatona avy hatrany izy ireo kanjo nanao tsoa-pe ireo olona. Natao avy hatrany ny savahao ny manodidina nitadiavana ireo olon-dratsy ireto saingy nafenin’ny alina tanteraka izy ireo. Taorian’ny fizahana ny manodidina vao fantatra fa tena olon-dratsy ireo nitsoaka ary nikasa ny hangalatra lakolosy. Ity farany moa izay navelan’izy ireo teo ambanin’ilay tilikambo fa tsy zakan’izy ireo nentina. Mbola mitohy kosa ny fikarohana azy ireo any an-toerana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici