- Publicité SW45 -
jeudi, mars 28, 2024
AccueilFaits-DiversMorondava : Nirodana ny Tranoben’ny Serasera sy ny kolontsaina

Morondava : Nirodana ny Tranoben’ny Serasera sy ny kolontsaina

Ny sabotsy teo, akory ny hatairan’ny rehetra raha nahita fa nirodana ho azy ilay Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina vao avy namboarina tao Morondava. Araka ny fampitam-boavao navoakan’ny Ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina, dia « vokatry ny orana sy ny rivotra nifofofofo be tany an-toerana » no antony nahatonga izany firodanana izany. Tsy nisy moa ny naratra na ny aina nafoy tao anatin’izany loza izany, araka ny fampitam-baovao hatrany.

Tsara marihana fa trano vao avy naorina izy io, ary nahabe resaka ihany tao ho ao. Raha mbola voatokana sy ny niasa akory mantsy dia efa nahitàna triatra maromaro tamin’ny rindrina. « Efa nisy olana tamin’ny fananganana azy io, raha ny voalazan’ny Ministera tompon’andraikitra hatrany, ary tsy nekena velively noho izay olana ara-teknika izay. Efa nanaovan’ilay orinasa nahazo ny tsenam-panjakana fiantohana ny fanarenana azy taty aoriana ». Ny loza anefa dia izao nirodana tanteraka izao no niafaran’ity Tranoben’ny Serasera sy ny kolontsaina ity. Raha ny voalaza hatrany mantsy dia tao anatin’io asa fanarenana io mihitsy no nitranga ny tsy nampoizina (na ny efa nampoizina). Mbola nisy fitaovana maromaro an’ireo mpiasa aza tavela tao anatiny, voatotra tao. Efa tsy nisy mpiasa intsony tao an-toerana tamin’izay fotoana izay. Efa noraisina avy hatrany moa ny fepetra nentina niarovana ny toerana nataon’ireo tompon’andraikitra tany amin’iny faritra iny.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici