Tranga nahavalalanina ny maro izay mbola tsy fahitan’ny mponina tao an-drenivohitry ny faritra Menabe no niseho afak’omaly tolakandro tokony ho tamin’ny efatra ora, tao an-tampon-tanànan’i Morondava. Ny andro io, raha ny tati-baovao voaray, dia nikoropaka ny rehetra fa niakatra an-tanàna ny ranomasina, ka toerana maro no dobo rano nefa tsy nisy orana latsaka, toy ny tao Morondava-centre, Nosy kely, Kimony, Ankisirasira, Tanambao sy Ambalanomby, . . . Raha ny fanazavana azo tamin’ny tompon’andraikitra, dia fiakaran’ny ranomasina ambony (très forte marée haute) noho ny tsinam-bolana no nitranga, fa tsy « tsunami » izany, araka ny feo miely amin’ny tambajotra serasera facebook. Tamin’ity tranga niseho ny talata teo ity, araka ny akom-baovao voaray hatrany, dia tsy nisy ny aina nafoy, fa an-jatony kosa ny trano dobo rano masira.
Eric Manitrisa