- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversMosquée 67 ha : Niantsoana vadintany vao vita ny fifidianana “Amir”

Mosquée 67 ha : Niantsoana vadintany vao vita ny fifidianana “Amir”

Araka ny efa nampiahiahy ireo mpikambana ao amin’ny komity mpikarakara ny fifidianana “Amir” na izay ho filoha sy mpikambana ao anatin’ny rafitra hitantana indray ny Mosquée 67 ha, dia nitrangana olana tokoa ny fanatanteraha izany fifidianana izany, ny Alahady  teo. Tsy afaka niditra tao amin’ny tokotanin’io fiangonana io ireo mpino sy ireo komity mpanomana ny fifidianana, ny marainan’io Alahady noho ny fisian’andian’olona  efa niditra tao ary nanidy ny vavahady avy ao anatiny. Manoloana izany dia voatery niantso vadintany ireo tomponandraikitra rehefa nandinika ny tokony hatao noho izao fanelingelenana izao. Niantso io tompon’andraiki-panjaka io izy ireo, satria nihevitra fa matoa afaka nanidy io toerana io ireo izay nanao izany dia mety ho efa nahazo alàlana avy tamin’ny Fitsarana angamba. Soa ihany anefa fa rehefa tonga teo ity vadintany ity ka nanao ny fombafomba rehetra araka ny lalàna dia nandao ny toerana ireo andian’olona nanidy ilay Mosquée izay efa nitoby tao anaty fiangonana sy nandà ny hanatanterahana io fifidianana io. Tsy azo natomboka ity farany raha tsy efa tamin’ny 12 ora antoandro tany ho any. Voafidy ho filoha na “Amir “ tamin’ izany Atoa Achile Andriakoto Houssen. Ity farany izay manana sekretera jeneraly sy manana mpiara-miasa roa isaky ny faritany enina misy eto Madagsikara. Ireto farany izay nofidin’ny mpino isam-paritany mivavaka ao amin’io Mosquée io, mba ho mpifidy lehibe hifidy ny Filoha sy ny sekretera jeneraly. Manoloana izany, dia naneho ny hafaliany ireo mpino sy ny fankasitrahana noho ny nahatanteraka izao fifidianana izao ny komity mpikarakara izany ny Alatsinainy 17 jona teo, teny amin’ny 67 ha nandritra ny fihaonan’izy ireo tamin’ny mpanao gazety. Fotoana izay nanamafisan’ny filohan’ny komity, Atoa Didier Alison BH sy Atoa Soalihy Moussa izay nitondra ny tenin’ireo mpino fa ireo voafidy ireo no tsy maintsy mitondra sy tompon’andraikitra voalohany amin’ity Mosquée izay heverina fa fototry ny finoana Silamo, na lazain’ny maro hoe Palestina eto Madagasikara.

T.M.

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici