- Publicité -
samedi, mai 17, 2025
AccueilFaits-DiversMpahay informatika : Namboatra fitaovana homena ny CENI

Mpahay informatika : Namboatra fitaovana homena ny CENI

Hackathon informatika, izay ny anaran’ny hetsika izay nokarakarain’ny fikambanana HOPE omaly, tetsy amin’ny American Center Tanjombato. Fifaninana izay natao  ho an’ireo tanora manao fikarohana ara-tsiansa momba ny informatika izany ary niarahana tamin’ny vaomiera mahaleo tena momba ny fifidianana (CENI), ny ambasady amerikana, ny vondrona eoropeana ary ny vondron’ny firenena mikambana. Ny lohahevitra dia mahakasika ny fanamboarana fitaovana hanatsarana ny fikarakarana fifidianana ; izay ho avy manaraka mba hanomezana mangaraharaha kokoa ary indrindra hanentanana ny tanora mba hifidy. Tanora avokoa no nandray anjara ary nahazo ny laharana voalohany, ny avy eo anivon’ny oniversiten’i Fianarantsoa (ENI). Efa nahavita ny fianarany ary efa miasa ireo mpahay informatika nandrombaka ny amboara. Mbola tanora avy amin’io oniversite io ihany koa ny faharoa, ary tanora manomana ny diplaoma “doctorat”. Ny fahatelo kosa indray, dia ireo avy eo anivon’ny IT University, mpianatra ao amin’ny taona faharoa ary mbola misy 16 taona ny zandriny indrindra. Nahavelom-bolo ny maro ny fahaizan’ireto tanora ireto ary isan’ny tapaka fa mbola hisy andiany manaraka indray ity fifaninana masina ity.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici