Toa anaty fiandrasam-paty no niditra ny lehilahy iray. Nanomboka nirediredy satria azo heverina fa efa nisotrosotro. Lasa ny vavany ary nahavita nilaza fa izy no namono ilay razana. Niakam-pofona ny mpiandry faty ary ilay lehilahy koa dia taitra nanazava ny toa an-tsainy. Nolazainy fa tsy nampoiziny hahafaty ilay namany ny zavatra nomeny azy. Mazava hoazy fa miendrika fanapozinana izany no zava-niseho izay nitarika fahafatesana, raha tena mitombina tokoa ny tenin’ilay « mpamosavy ». Tezitra ny olona, ny havan’ny maty kanefa nahavita nanindry fo ihany ary nampandre ny mpitandro ny filaminana. Nanokafana fanadihadiana avy hatrany vao tonga teny amin’ny birao noho ny fanahiana ho namono olona. Raha ny tsilian-tsofina momba ity tranga ity hatrany dia toa mbola nahavita nanazava ilay voasambotra fa mbola misy lisitr’olona maromaro tokony hamosaviany. Mbola mitohy ny fakàna am-bavany azy ao Toamasina.
D.R