- Publicité -
samedi, juin 21, 2025
AccueilFaits-DiversMpampianatra EPP : Karohina fa nanolana

Mpampianatra EPP : Karohina fa nanolana

Tsy vitan’izany fa ny zanany naterany ihany no niharan’izany fanararaotana ara-nofo izany. Ny zanany vavimatoa izay 14 taona no naolany nandritry ny fotoana tsy naha-teo ny vadiny sy ny zanany hafa. Tany Antsahalavabe, fokontany iray eo anivon’ny distrikan’ny Soavinandriana no nisian’izany. Rehefa namotopototra an-janany ny reniny dia nahatsikaritra pilina fanabeazana aizana. Nanontaniana ihany ilay zazavavy ary nont farany dia nilaza izy fa naolan-drainy ary norahonany tsy hitantara izany. Tapa-kevitry ny nametraka fitoriana ny vadiny izy ary io farany raha vao nahafantatra an’izany dia nitsoaka. Tsy hita hatramin’izao, efa ho tapa-bolana lasa izay, raha araka ny vaovao avy any an-toerana. Karohina izy ankehitriny ary na ny sariny aza dia efa mipetaka eo amin’ny lisitry ny olona tadiavin’ny mpanao fanadihadiana. Niteraka resa-be ao an-tanàna arak’izany ny zava-niseho satria mpanabe izay natao hananatra sy hampita fahalalàna indray no nanondrana. Tsy vitan’izany fa heloka izay nataony tamin-janany ihany. Fantany ny havesatry ny hadisoany ary nahatonga azy ny nitsoaka avy hatrany tao an-tanàna. Mandeha ihany koa ny savahao ankehitriny.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici