- Publicité -
dimanche, mai 25, 2025
AccueilFaits-DiversMpanakanto “Dadi Love” : Naratra mafy teo am-pilalaovana baolina kitra

Mpanakanto “Dadi Love” : Naratra mafy teo am-pilalaovana baolina kitra

Tena ao anatin’ny fitetezam-paritra taorian’ny hamehana ara-pahasalamana, tsy nahafahan’ny mpanankato nihetsika, ny mpanakanto Dadi Love ankehitriny. Tao amin’ny Distrikan’i Maroantsetra izy tao anatin’ny herinandro izay, manao izay fampisehoany mitety faritra izay.

Ny tolakandro ny talata 10 novambra teo dia nisy ny lalao baolina kitra nifanaovan’n ekipen’ny Dadi Love sy ny ekipan’ny “Les Roberts”, izay mitety faritra amin’ny faovana lanonana ihany koa, avy ao Mananara Avaratra tao Maroantsetra teo amin’ny kianja CAPJ. Nitrangana loza anefa i Dadi Love teo am-pilalaovana ny baolina kitra nandritra ilay lalao ara-pirahalahina nifanaovana nandritra ny fizaram-potoana faharoa. Efa hifarana ny lalao no nitarika baolina tsy nisy nanakana kanefa nianjera tampoka i Dadi Love. Tsy dia taitra loatra ny olona raha tafatsanaga izy noho izy mpanao “comedie”, raha notarafina teny amin’ny hopitaly anefa taorian’ny fitarainany hita fa nisy tapaka ny taolam-peny havanana. Efa nahazo ny fitsaboana izy taorian’izay, nefa mbola nisy mpilalao telo hafa koa tratran’ny faharatrana nandritra ity baolina kitra ity saingy tsy nampahanahy ny azy ireo. Ny faharatsian’ny kianja CAPJ ao Maroentsetra no ambetin-tenin’ireo mpilalao nahatonga ny loza faharatrana goavana tamin’ny mpanakanto Dadi Love ity. Raha vao nandre izany fahavoazana izany ny fiadidian’ny repoblika dia nandefa fiaramadina manokana naka azy tao Maroantsetra ny alarobia 11 novambra antoandro, ary nanatitra azy tany Mahajanga izay safidy teo amin’ny Dadi Love hanohizany ny fitsamboan-tenany. Hakalaza ny tsingerin-taona nahaterahany ny 16 novambra ho avy izao anefa i Dadi Love izay hahatonga azy ho feno 33 taona amin’izay.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici