
Efa gadralava teny Tsiafahy daholo ireo olona mpanao fakàna an-keriny. Izy ireo ihany no miverina mamerin-keloka, kanefa mbola tsy nahavita ara-dalàna ny sazy nomena azy ireo. Izany no nasongadin’ny pôlisy, omaly, tamin’ny fampitam-baovaony mba hoentina hanairana ny tomponandraikitra isan’ambaratongany. Nentin’izy ireo nanaporofoana an’izany, ny nahasamboran’izy ireo ny atidoha nikotrika fakàna an-keriny maromaro teto Andrenivohitra, ka ny farany tamin’izany dia ilay tetsy Isotry, ny 31 aogositra lasa teo. Ranaivoson Berthin sy Sola no anaran’ireo tomponandraikitra tamin’izany ,araka ny fanazavan’ny pôlisy. Itsy voalohany no efa voasambotra raha mbola karohina kosa ilay faharoa. Izy roa ireo, rehefa nohamarinin’ireo mpanao fanadihadiana ny antontan-taratasim-pitsarany, dia fantatra fa olona vao avy nivoaka ny fonjan’i Tsiafahy, ny 31 desambra 2015 rehefa nifampitadiavana amam-bolana maro voarohirohy tamin’ny raharaha fakàna an-keriny am-polony izay nitranga tamin’io taona io ihany. Izany hoe tsy nisy herintaona akory, dia efa nivoaka ny mpanao helokabevava ary io niverina nanao ny asany io indray. Fahafahana vonjimaika na « libérté provisoire » no antony nivoahan’izy ireo ny fonja. Rariny loatra ny pôlisy raha manaitra ny sain’ny tomponandraikitra izay nanome izany didy izany, satria mpanao heloka bevava ary miverimberina no resahina. Amin’ny lafiny iray, dia toa mitady hanamarina ny ahiahin’ny maro ny tranga toy izao : misy lamosina ao amin’ny fitsarana hatrany ny mpanao kidnapping…
D.R