- Publicité -
dimanche, mai 25, 2025
AccueilFaits-DiversAndrondrakely : Mpanao sinto-mahery voasambotry ny fokonolona

Androndrakely : Mpanao sinto-mahery voasambotry ny fokonolona

Ny ainy sisa no tsy nanaraka ! Ny alatsinainy hariva lasa teo, tovolahy iray no tra-tehaky ny fokonolona teo am-panaovana ny asa ratsiny teny amin’iny faritra Androndrakely iny. Teo am-panendahana mpandeha an-tongotra iray mihitsy ranamana no niantso vonjy ny lasibatra. Tsy nitaza-potsiny ireo nahatsikaritra fa avy hatrany dia niray hina nanenjika an’ilay mpanao sinto-mahery. Tsy lasa lavitra akory ilehio dia voasambotra. Mazava ho azy fa niainga avokoa ny daroka sy ny vono isan-karazany. Nanamparan’ireo nahatratra ny hatezerany mihitsy ity olon-dratsy. Soa ihany fa nisy nampandre avy hatrany ny pôlisy ary tonga teny an-toerana sy niezaka nandamina ireo fokonolona. Nentina notsaboina moa ingahy mpanendaka izay naratra ihany ary notazomina natao famotorana taorian’izay. m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici